Quote:
tahiriniaina dit :
Miarahaba ny vehivavy malagasy rehetra monina eto frantsa ny tenako;Ramatoa TAHIRINIAINA prisca 21 taona.Raharahan-tokatrano no tena votoatindresaka tiako ifanakalozana aminareo,telo volana monja zay no nahatongavako teto frantsa:mananjanaka 1 sy mananambady frantsay 32 taona.Miaramiaina amireo fianakaviambadiko izahay telo mianaka, izany hoe: miara_miaina amy rafozam_bavy:mifanao ambony sy ambany rihana ary atsimo sy avaratra amireo zaobavy sy zaodahy.mandeha dia mandeha anefa ny resaka malgachisation izany hoe fanambaniana amy maha hoe malagasy ny tena sy ny hoe "interèt" sns... sns,noho izany niteny an'i vadiko aho hoe mba hadeha hifindra monina hiala ny tontolo misy ireto fianakaviany satria tsy zaka intsony...nisalasala izy eny sa tsia ny amin'ny enti-manana hiatrehana anizany,ny anabaviny nilaza fa manana zo hanakana ny fifindranay monina ilay rafozambaviko.Ny olana anefa dia ny fahasarotan'ny fitadiavana asa eto frantsa,ary ireo fikambanana milaza mba hanampy toa fihatsaram_belatsihy fotsiny no be asa lahy..! very hevitra arak'izany ny tenako ny mibahana ato antsaiko dia ny hoe hihemotra sa handroso hody antanindrazana sa hijanona eto antanin'olona dia ahoana anefa no hiafaran'ity zanakay? mety ve ny hahagasy azy tanteraka? ny fihevitrin'ny maro hono mahataka-davitra koa dia manantena vahaolana avy aminareo mpiray tanindrazana ny tenako.