Hankalaza ny faha-10 taonany ny Fikambanan'ny poeta sy mpanoratra Malagasy HAVATSA-UPEM Sampana Fran

Ajouter un événement
Foyer Grenelle Paris

17 Rue de l'Avre 75015 Paris - Île-de-France - France
Paris
14:30:00
Gratuit
Hankalaza ny faha-10 taonany ny Fikambanan'ny poeta sy mpanoratra Malagasy HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa, ka manomana hetsika misy valan-dresaka sy fampirantiana mitondra ny lohahevitra : - Tantaran'ny HAVATSA-UPEM sy andraikiny - Ny Toeran'ny Teny Malagasy aty Andafindriaka sy ny hoaviny. Eo ambanin'ny fiahian'ny REPERMAD-UNESCO sy ny Masoivoho Malagasy eto Frantsa ny fotoana, anasana ireo fikambanana sy ivon-toerana manandratra ny Teny Malagasy toy ny KOLO Malagasy, INALCO/CROIMA, FIMPIMA Faritany Frantsa, ary ireo Malagasy monina eto Frantsa. Koa fifaliana lehibe ho anay ny manasa anareo mpanao gazety sy mpanely ny vaovao eto an-toerana mba hanatrika ny fotoana, tompoko, izay hatao, arak'ity doka mipaingotra ity, ny 20 septambra 2014 amin'ny 2ora sy sasany tolakandro ao amin'ny Foyer de Grenelle, 17 rue de l'Avre 75015 Paris (Metro La Motte Picquet, Grenelle). Ialana tsiny ny fotoana somary antomotra ihany, kanefa dia manantena indrindra ny fijoroanareo hanamarika izany faha-10 taonan'ny Fikambanana izany izahay mpikambana HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa izay soloiko tena.

Evénements similaires