"NY ADY MAHARAVA HARENA... IZAY MITAMBATRA VATO, IZAY MISARAKA FASIKA" 05 - 08 ora hariva

Ajouter un événement
name

address
17:00:00
Gratuit
"NY ADY MAHARAVA HARENA... IZAY MITAMBATRA VATO, IZAY MISARAKA FASIKA" 05 - 08 ora hariva : Eo amin'ny Zaridaina Trocadéro, anelanelan’ny Avenue des Nations-Unies sy Avenue de New York 75016 Paris no fotoana, Hanampy amin'ny fanentanana ny : - Mpitsoka mozikan’Anatirova - Jijy avy amin’ny faritra avaratry ny Nosy, entanin’i Ericka Minazara - Ny mpanakanto Volavie, sns - Fizarana harendrina ho an’ny ankizy (tsy amidy) 08 - 10 ora alina : - JAKABE (pique nique), samy mitondra sakafo sahaza azy ny ankohonana, ny fikambanana, ny tsirairay 10 - 10 ora sasany alina : Eo amin'ny Avenue de New York no hanaovana ny DIABE, hitondrana ny harendrina - Harendrina - Dia an-tongotra 500 metatra mihazo ny sambo be (Bateaux-Mouches) - Harendrina ô ô ô ! harendrina taratasy ô ! ... izay tsy faly manao aminay ! - Hataontsika manakoako eo ampovoan-tanànan'ny Paris ny hirahiram-bahoaka sy ny sôva ... hanampy ny mpitsoka mozika 10 ora sasany - sasak'alina : Hiondrana anaty sambo ary hamakivaky ny ranoben'ny La Seine ny rehetra - Fitsangatsanganana sy fizahantany amin’ny andro Alina (Paris by night en bateau) - Hirahira sy horakoraka ... manala azy ! TOY IZAO NO FEPETRA 1- Ho maro be isika ka ezahana amidy alohan’ny fotoana ny tapakila misy “magnétique” hisorohana ny fifanosehana eo am-pidirana ambony sambo 2- Tsy maintsy arahan’ny olon-dehibe ny ankizy tsy ampy taona 3- Tsy azo atao ny manao fitadiavam-bola mandritra ny hetsika, tsy amidy ny harendrina 4- Samy mitondra labozia mirefy 2,5 cm, miisa efatra ny ankizy tsirairay avy 5- Raha avy ny orana dia ho rava ny hetsika (araka ny voalaza ao amin’ny fazahoan-dàlana avy amin’ny Mairie de Paris) 6- Raha rava ny hetsika dia mbola manankery hatrany ny tapakila fidirana amin’ny sambo amin’ny andro any aoriana. 7- Tsy azo atao ny mitondra zava-pisotro misy alikaola ao amin’ny zaridaina Trocadéro (araka ny lalàna mifehy ny zaridaina eto Paris) 8- Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena : tsara raha tsy mitondra marika manasongadina antoko politika na kandida ho filoham-pirenena ny mpandray anjara (akanjo, satroka, sns…). Io koa no hanamarihana fa iray ihany isika rehetra. - Takapila hidirana eny ambony sambo be : 6, 50 € : olon-dehibe / 5, 50 € : ankizy 5-12 taona / O € : ankizy latsaky ny 4 taona - Parking Bateaux-Mouches gratuit : Pont de la Conférence, ambany Pont de l’Alma 75008 Paris - Métro 6, 9 : Trocadéro, RER-C : Pont de l’Alma LANONAM-BAHOAKA IZY ITY, ANTSIKA REHETRA TSY MISY AVAKAVAKA, NY ANKIZY NO HOMEM-BONINAHITRA MANOKANA (hifanerasera amin'ny mpiray tanindrazana aminy sy hahalala ny fomban-taniny) Any izany mifankahita e !

Evénements similaires