Tompokolahy sy tompokovavy Dobodoboka hono fomban’amponga, Tabataba ny maro kilonga Mikorata

Ajouter un événement
Salle MAS Paris

10 Rue des Terres au Cure, 75013 Paris
Paris
21:30:00
Payant
Tompokolahy sy tompokovavy Dobodoboka hono fomban’amponga, Tabataba ny maro kilonga Mikorataba ny tia somonga, Izahay manasa anareo mba ho tonga Seho tokana tsy fahita firy , Miezinezina sy makadiry Fanandratana ny soatoavina, Ka ity re ny fanasana aza lavina Lalaovina an-tsehatra ny tononkalo, Hitantarana ireo Tranga mandalo Horavaha-mozika hanako, Hanaingo azy ny Tarika Lamako Hisy koa ranty hosodoko, hanovana kely ny loko Haneho ireo Tranga miseho, an-kanto ho hitanareo Ny zavatra hitranga hafakely, tsy mbola mpiseho velively Hiragasy no ao amin’ny fandaharana, hirain’ny Zazaniangarana Seho tokana eto Paris, hatrizay tsy mbola nisy hoatr’ity Koa tongava aza misalasala, tsy indroa mandry mantsy ny valala Raozigasy 06 64 67 26 18 NB : Aza misalasala miantso na manoratra raha misy fanontaniana SEHO TOKANA ETO PARIS : TRANGA TENA MARINA Asabotsy 15 Novambra 2014 amin’ny 09.30 alina SALLE MAS 10 rue des Terres au Curé 75013 Paris Fandraisana anjara : 25 euros Tapany voalohany : INDRAM-PEO Tononkalo an-tsehatra hilalaovana ireo tononkalo nosoratan’i Raozigasy ary horavahan’ny hiran'ny tarika Lamako RANTY KANTO mandritra ny fialana hetaheta Hosodoko iarahana amin'i Rajohnson Vero Fampirantiana karazam-baliha Varotra boky miaraka amin’ny HAVATSA UPEM Takalo kanto miaraka amin’ny Mpanjaitra RAITRA Tapany faharoa : HIRAGASY HIRAGASY miaraka amin'ny tarika ZAZA NIANGARANA : ahitana an'i Emeline , zaza navelan'i RAMILISON BESIGARA sy FAFFA fantatra amin'ny DIHY MALAGASY Mpanohana sy mpiara miasa : Jacaranda de Madagascar R’Aitra SARL Echos du capricorne Radio Bitsika RadioVazoGasy Radio Toko Telo Takariva MadaPlus Fetybe Havatsa UPEM Miritsoka Production Tsara ho fantatra : Metro : Ligne 07 : Station Porte d’Ivry / Ligne 14 : Station Olympiades Tramway : T3 Porte d’Ivry Parking : http://www.vincipark.com/fr/parkings/massena-13-75130800

Evénements similaires